<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>606</hymn_number>
<title>O, ry Raiko Izay mpandahatra FFPM606</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Raiko
 Izay Mpandahatra !
 Vatofantsika mafonja !
 Aminao no mifahatra
 Itony foko safotra onja,
 Ry Tsitoha, ô ! mijere !
 // Ry Mpamonjy ô !
 Mamonje ! //

[V2]
 He manonja mafy loatra
 Itony fiainako voafofo
 Toa dia diso tafahoatra
 Ireo akaso izay milofo,
 Ry Tsitoha, ..sns.

[V3]
 Nefa kosa tsy mamoy !
 Izany foko manantena !
 Fa ny masonao manjohy,
 Iandrandrako famonjena
 Ry Tsitoha, ..sns.</lyrics>
</song>